4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny itiavako anao - Bessa sy lola

Ny itiavako anao dia hizarako
ny alaheloko
Ka hitondra zay mangidy nentiko
irery taloha
Ny itiavako anao dia hajainao
ny tsiambarateloko
Nitahiry ireo lasa ratsy
tsy tiako hifoha

Ref.:
Tsy ho ampy anefa ry Aiko (tsy eo ho
akory dia..)
Mba hitiavako anao (mba
hilazako izay..)
Fa voafetra ny saiko (fa tsy
ho haiko satria..)
Ka izao no ambarako anao (ka
teny tsotra toy izao..)

Izay nanao ny maraina
hifandimby amin'ny alina
No nametraka tam-poko koa ny
fitiavana anao
Ao anatiko ao no miboiboika
toa rano lalina
Ny itiavako anao dia satria
ianao ianao

Partager ny itiavako anao

Commenter ny itiavako anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa sy lola

Suite